Deuteronomy 14:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, mba hianaranao hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao mandrakariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hohaninao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’izay fitoerana hofidiny hamponenany ny Anarany, ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, mba hianaranao hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrao mandrakariva.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia eo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO Andriamanitrareo, eo amin’ny toerana izay hofidiny mba hipetrahan’ny voninahiny, no hihinananareo ny ampahafolon’ny vary sy divay ary menaka vokatry ny taninareo, ary koa hihinananareo ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman’osinareo. Izany no hianaranareo hanaja mandrakariva ny TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
dia aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon'ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, mba hianaranao hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, mba hianaranao hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao mandrakariva.
malagasy