Deuteronomy 14:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ividiano izay rehetra tianao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na divay mahery, na izay zavatra hafa tianao io vola io; ary aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ny ankohonanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amidio an’izay rehetra irin’ny fanahinao amin’ny vola: na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikôla, izay rehetra tian’ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ary mifalia ianao sy ny ankohonanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io vola io no hividiananareo izay sakafo rehetra irinareo, na omby na ondry na osy na divay na zava-pisotro hafa misy alikaola; eny, hovidinareo avokoa izay rehetra tianareo, dia eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo no hihinana izany an-kafaliana ianareo mbamin’ny ankohonanareo.
Malagasy Bible 1865
ary ny vola dia amidio izay rehetra tian'ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian'ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin'ny ankohonanao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ividiano izay rehetra tianao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na divay mahery, na izay zavatra hafa tianao io vola io; ary aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ny ankohonanao.
malagasy