Deuteronomy 14:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia aoka ho avy ny levita, satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana ireo ka ho voky, mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny asan’ny tananao rehetra ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka aoka ho avy amin’izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ama-mpitondratena izay ao anatin’ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ho avy hizaràna an’izany ny Levita (izay tsy manana zaratany na anjara miaraka aminareo) sy ny vahiny ary ny kamboty mbamin’ny mpitondratena izay eo an-tanànanareo; dia hihinana ireo ka ho voky, mba hitahian ’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny asa rehetra izay ataonareo.
Malagasy Bible 1865
ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia aoka ho avy ny levita, satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana ireo ka ho voky, mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny asan’ny tananao rehetra ianao.
malagasy