Deuteronomy 15:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza ataonao ho sarotra aminao ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ny mpikarama no azonao tamin’ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra ataonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka tsy ho mafy aminao ny hamotsotra ny ankizy lahinao ho afaka aminao, satria nahazoanao avo sasaka noho ny karaman’ny mpikarama ny nanompoany anao enin-taona, dia hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra hataonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka tsy ho mafy aminareo ny hamotsotra ny mpanomponareo ho afaka, satria nahazoanareo avo sasaka mihoatra noho izay vitan’ny mpikarama ny nanompoany anareo enin-taona. Eny, votsory izy, dia hotahîn ’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’izay rehetra ataonareo.
Malagasy Bible 1865
Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman'ny mpikarama no azonao tamin'ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra ataonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza ataonao ho sarotra aminao ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ny mpikarama no azonao tamin’ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra ataonao.
malagasy