Deuteronomy 15:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izao no fomban’ny fanafahan-trosa: Hamoy ny trosany rehetra ny tompon-trosa rehetra izay nampindram-bola tamin’ny namany; tsy hanery ny namany, izay rahalahiny handoa azy, satria antsoina hoe Fanafahan’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka toy izao no hanaovana ny fanafahana: ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola dia hanao famelana ny amin’izay nampisamboriny ny namany. Tsy hanery namana aman-drahalahiny izy rehefa voaantso ny fanafahan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka izao no fomba hampiharana izany: ianareo tompon-trosa rehetra, izay nampisambo-bola ny namany, dia hamoy izany, rehefa natao antso avo ny taona famoizan-trosa ho fanajana ny TOMPO; tsy hoterenareo hamerin-trosa ilay namana mpiray tanindrazana aminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no ho fomban'ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin'ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izao no fomban’ny fanafahan-trosa: Hamoy ny trosany rehetra ny tompon-trosa rehetra izay nampindram-bola tamin’ny namany; tsy hanery ny namany, izay rahalahiny handoa azy, satria antsoina hoe Fanafahan’NY TOMPO izany.
malagasy