Deuteronomy 15:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy taminao; hampisambotra vola ny firenena maro ianao fa ianao kosa dia tsy hisambotra; ary hifehy firenena maro ianao fa ireny kosa dia tsy mba hifehy anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa dia hanambina anao i Iaveh Andriamanitrao araka ny efa voalazany taminao; hampisambotra amin’ny firenena maro ianao, fa ianao tsy mba hisambotra kosa; hanapaka firenena maro ianao fa tsy mba hotapahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hotahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy anareo; ka ianareo tsy mba hisy hisambo-bola fa firenena maro kosa no hampisamborinareo vola; firenena maro no hofehezinareo, fa ianareo kosa tsy mba hofeheziny.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy taminao; hampisambotra vola ny firenena maro ianao fa ianao kosa dia tsy hisambotra; ary hifehy firenena maro ianao fa ireny kosa dia tsy mba hifehy anao.
malagasy