Deuteronomy 15:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mahantra ny rahalahinao ao an-tanànanao iray, amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy mahantra ny rahalahinao ao anatin’ny anankiray amin’ny vavahadinao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha sendra misy mahantra ny mpiray firenena aminareo ao an-tanàna anankiray amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia aza anidianareo fo izy na anakombonanareo tanana;
Malagasy Bible 1865
Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin'ny taninao izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin'ny rahalahinao malahelo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mahantra ny rahalahinao ao an-tanànanao iray, amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra;
malagasy