Deuteronomy 15:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitandrema anefa, fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao milaza hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao mahantra ianao ka tsy hanome azy akory; dia hitaraina amin’NY TOMPO hiampanga anao izy ka ho fahotanao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponao ity hevitra tsy mendrika ity hoe: Akaiky ity ny taona fahafito, taom-panafahana, ka ho ratsy maso amin’ny rahalahinao mahantra ianao amin’izay, ka tsy hanome na inona na inona azy, ka hitaraina amin’i Iaveh hiampanga anao izy, ka sao milonjo ota ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an’ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin’ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany.
Malagasy Bible 1865
Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitandrema anefa, fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao milaza hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao mahantra ianao ka tsy hanome azy akory; dia hitaraina amin’NY TOMPO hiampanga anao izy ka ho fahotanao izany.
malagasy