Deuteronomy 16:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tandremo ny volana Abiba ka ataovy ny Paska an’NY TOMPO Andriamanitrao; fa tamin’ny volana Abiba no nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao, fa tamin’ny volana Abiba, raha alina, no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tandremo fa amin’ny volana Abîba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abîba manko no nitondran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin’ny alina.
Malagasy Bible 1865
Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tandremo ny volana Abiba* ka ataovy ny Paska an’NY TOMPO Andriamanitrao; fa tamin’ny volana Abiba no nitondran’NY TOMPO Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny alina.
malagasy
[Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.