Deuteronomy 16:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ankalazao ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro manaraka ireo Herinandro ireo ka manolora fanatitra an-tsitrapo, izay homenao araka izay itahin’NY TOMPO Andriamanitrao anao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hankalaza ny fetin’ny Herinandro ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny fanolorana an-tsitrapo avy amin’ny tananao, araka izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hankalaza ny fetin’ny Pentekôsta ianareo, ka hanavaka fanati-tsitrapo homenareo araka izay itahian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao;