Deuteronomy 16:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary mifalia eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao miaraka amin’ny ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao ary ny levita izay ao an-tanànanao mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany no hifalianao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ianao, ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ny Levita ao anatin’ny vavahadinao ary ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena mitoetra eo afovoanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hankany amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan’ilay Toeramasin ’ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita izay ao an-tanànanareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.
Malagasy Bible 1865
ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary mifalia eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao miaraka amin’ny ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao ary ny levita* izay ao an-tanànanao mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
malagasy
ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.