Deuteronomy 16:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hafitoana no hitandremanao andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO, satria hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny vokatrao rehetra sy ny asan’ny tananao rehetra ka hifaly tokoa ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hafitoana no hankalazanao ny fety, ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, fa hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny vokatra rehetra, sy amin’ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly eram-po tokoa ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandritra ny fito andro no hanaovanareo izany fankalazana izany ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo eo amin’ny toerana izay hofidiny; ary dia hifaly tokoa ianareo satria notahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo avokoa ny vokatrareo sy ny asan-tananareo.
Malagasy Bible 1865
Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hafitoana no hitandremanao andro firavoravoana ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO, satria hitahy anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny vokatrao rehetra sy ny asan’ny tananao rehetra ka hifaly tokoa ianao.
malagasy