Deuteronomy 16:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, araka ny fokonao; dia hitsara ny olona amin’ny fitsarana marina ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Asio mpitsara sy andriambaventy ny tanàna homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, araka ny fokonao avy, ary hitsara ny vahoaka ara-drariny izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran’ireo ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, araka ny fokonao; dia hitsara ny olona amin’ny fitsarana marina ireo.
malagasy
[Ny amin'ny fitsarana sy ny fifidianana mpanjaka] Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.