Deuteronomy 17:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary milaza hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha avy izay hahatafidiranao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ary efa azonao ho fanananao izy sy efa niorim-ponenana any ianao, ka manao hoe: Mba te-hana-mpanjaka hifehy ahy toy ny firenena rehetra manodidina ahy, aho;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ka hahazo azy ho fanananareo sy honina eo, dia mety haniry hanangana mpanjaka hifehy anareo, tahaka ny ataon’ny firenena rehetra manodidina anareo.
Malagasy Bible 1865
Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary milaza hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
malagasy