Deuteronomy 17:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Ejipta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy NY TOMPO taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy i Iaveh taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony amin’ny sisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa aoka ny mpanjakanareo tsy hanana soavaly maro na handefa olona handevozina any Ejipta indray mba hahazoany soavaly maro, satria ny TOMPO efa niteny taminareo hoe: «Aza miverina amin’izany lalam-panandevozana izany intsony!»
Malagasy Bible 1865
Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Ejipta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy NY TOMPO taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony.
malagasy
Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony.