Deuteronomy 17:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho eo akaikiny izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra NY TOMPO Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho eny aminy sy hovakiny amin’ny andro rehetra iainany izany, mba hianarany hatahotra an’i Iaveh Andriamaniny sy hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy izao fitsipika rehetra izao, amin’ny fanarahana azy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ho eo aminy hatrany izany sady hovakîny mandritra ny andro rehetra iainany mba hianarany hanaja ny TOMPO Andriamaniny ka himasoany hanatanteraka ny teny sy didy rehetra raketin’izao lalàna izao.
Malagasy Bible 1865
Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho eo akaikiny izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra NY TOMPO Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
malagasy
Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy sy ny taranany.