Deuteronomy 17:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy hita manao izay ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy ka mivadika ny fanekeny
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha eo afovoanao, amin’ny iray amin’ny tanànanao izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fivadihana ny fanekeny,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao amin’ny tanàna izay homen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia mety hisy lehilahy na vehivavy hita manao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ka mivadika ny fanekempihavanana nataony.
Malagasy Bible 1865
Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy hita manao izay ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy ka mivadika ny fanekeny
malagasy
Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny