Deuteronomy 17:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy raharaha sarotra tsaraina loatra ka tsy efanao, na mikasika ny ra latsaka, na ny ady, na ny vonoan’olona, izay mety hiadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao ka miakara any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy ady momba ny vonoana olona, na fifanolanana, na fandratràna olona, zavatra ifandirana ao anaty vavahadinao, ka ataonao sarotra loatra, dia hitsangana ianao ary hiakatra any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mety misy raharaha sarotra loatra ho an’ny fitsarana ao an-tanànanareo ka tsy efanareo, na momba ny vonoan’olona izany na ady ifanolanana na fandratrana olona na zavatra hafa ifandirana. Raha mitranga izany, dia hiainga ianareo ka hiakatra any amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Raha misy teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy raharaha sarotra tsaraina loatra ka tsy efanao, na mikasika ny ra latsaka, na ny ady, na ny vonoan’olona, izay mety hiadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao ka miakara any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao,
malagasy