Deuteronomy 18:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ny Israely ny levita mpisorona, dia ny fokon’i Levy rehetra; fa ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny anjaran’NY TOMPO no ho fihinany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona levitika, ny fokon’i Levì rehetra dia tsy mba hanana anjara na lova miaraka amin’i Israely, fa ny soron’i Iaveh atao amin’ny afo sy izay lova avy aminy no hiveloman’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Levita mpisorona sy ny hafa rehetra anisan’ny fokon’i Levỳ dia tsy mba hanana zaratany na anjara miaraka amin’ny Israelita namany; fa ny ho fihinany dia ny sorona sy anjara atolotra ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ny Israely ny levita* mpisorona, dia ny fokon’i Levy rehetra; fa ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny anjaran’NY TOMPO no ho fihinany.
malagasy
[Ny amin'ny ho anjaran'ny mpisorona sy ny Levita] Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany.