Deuteronomy 18:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ny anarako, nefa tsy araka izay nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ny anaran’ny andriamanitra hafa, dia hovonoina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza amin’ny anarako zavatra tsy nasaiko nambarany, na izay miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia hatao maty izany mpaminany izany.»
Malagasy Bible 1865
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ny anarako, nefa tsy araka izay nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ny anaran’ny andriamanitra hafa, dia hovonoina.
malagasy
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty.