Deuteronomy 18:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha miteny amin’ny anaran’NY TOMPO ny mpaminany ka tsy mitranga na tsy tanteraka ilay zavatra nolazainy dia teny izay tsy nolazain’NY TOMPO izany, fa tamin’ny fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa miteny amin’ny Anaran’i Iaveh ny mpaminany, nefa tsy tonga, ary tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia izany no teny tsy nolazain’i Iaveh: fiavonavonana no nilazan’ny mpaminany izany; aza matahotra azy ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha hoe miteny amin’ny anaran’ny TOMPO ilay mpaminany, kanefa tsy mitranga na tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia teny tsy nolazain’ny TOMPO izany: fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany ka aoka tsy hampihontsina anareo izy.
Malagasy Bible 1865
Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha miteny amin’ny anaran’NY TOMPO ny mpaminany ka tsy mitranga na tsy tanteraka ilay zavatra nolazainy dia teny izay tsy nolazain’NY TOMPO izany, fa tamin’ny fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
malagasy