Deuteronomy 18:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izy sy ny taranany no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny fokonao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana amin’ny andro rehetra amin’ny anaran’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria izy no voafidin’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’ny fokonao rehetra, hitoetra eo anatrehan’i Iaveh sy hanao ny fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh, dia izy sy ny zanany mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny taranak’i Levỳ no voafidin’ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny foko israelita rehetra hanao lalandava ny fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Fa izy sy ny taranany no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izy sy ny taranany no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’ny fokonao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana amin’ny andro rehetra amin’ny anaran’NY TOMPO.
malagasy
Fa izy sy ny taranany no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah.