Deuteronomy 19:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba tsy hisy ran’ny tsy manan-tsiny halatsaka eo amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao ka tsy ho meloka amin’ny ra ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba tsy halatsaka amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao, ny ra tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy ra ao aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no tsy hisian’ny famonoana olona tsy manan-tsiny eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo; ka tsy ho meloka amin’ny famonoana olona tsy manan-tsiny ianareo.
Malagasy Bible 1865
mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba tsy hisy ran’ny tsy manan-tsiny halatsaka eo amin’ny taninao izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ho lovanao ka tsy ho meloka amin’ny ra ianao.
malagasy
mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao.