Deuteronomy 19:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza manakisaka ny faritry ny tanin’ny namanao, izay efa vitan’ny razana teo amin’ny zarataninao, izay azonao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao holovanao ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza mamindra ny orim-baton’ny namanao efa vitan’ny razany amin’ny lova ho azonao eny amin’ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia aza mamindra ny orim-bato mamaritra ny tanin’ny namanareo, orim-bato izay efa vitan’ny razana tamin’ny zaratany azonareo.
Malagasy Bible 1865
Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza manakisaka ny faritry ny tanin’ny namanao, izay efa vitan’ny razana teo amin’ny zarataninao, izay azonao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao holovanao ianao.
malagasy
[Ny amin'ny tsi-famindrana fari-tany, sy ny amin'ny vavolombelona] Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.