Deuteronomy 19:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha misy olona miaraka amin’ny namany ho any an’ala hanapaka hazo ka manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, ary mitsoaka amin’ny zarany ny lelam-pamaky ka mahavoa ny namany ary mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ohatra ka misy olona mandeha hikapa hazo any an’ala, miaraka amin’ny olon-kafa anankiray; dia manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, fa mitsoaka amin’ny zarany ny lela famaky ka mahavoa ilay namany sy mahafaty azy: handositra amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo ilay olona, dia ho velona aina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ohatra ny olona izay miaraka amin’ny namany ho any an’ala mba hikapa hazo; ka nony manainga ny famaky hikapa ny hazo ireo tanany, dia mitsoaka amin’ny zarany ny lela-famaky ary mahavoa sady mahafaty ilay namany: handositra ao amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izany olona izany ka ho velona aina.
Malagasy Bible 1865
toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha misy olona miaraka amin’ny namany ho any an’ala hanapaka hazo ka manainga ny famaky hikapa hazo ny tanany, ary mitsoaka amin’ny zarany ny lelam-pamaky ka mahavoa ny namany ary mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
malagasy