Deuteronomy 19:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fandrao hanenjika ilay nahafaty olona ny mpamaly ra, raha mbola mirehitra ny fony ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy satria tsy nankahala ny namany talohan’ny nahafatesany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy izany dia henjehin’ny mpamaly ra mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin’ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao hala volo teo aloha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny mpamaly faty, raha mbola mirehi-katezerana, mba tsy hanenjika ny nahafaty olona ka hahatratra azy mbola lavitry ny tanàna handosirany sy hamely hahafaty azy; nefa olona tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
Malagasy Bible 1865
fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fandrao hanenjika ilay nahafaty olona ny mpamaly ra, raha mbola mirehitra ny fony ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy satria tsy nankahala ny namany talohan’ny nahafatesany azy.
malagasy