Deuteronomy 2:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho tonga ao akaikin’ny taranak’i Amona, nefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ny taranak’i Amona satria nomeko ho lovan’ny taranak’i Lota io toerana io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ho tonga any akaikin’ny taranak’i Amôna ianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin’ny taranak’i Amôna, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho tonga ao akaikin’ny Hamônita ianareo, kanefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.»
Malagasy Bible 1865
dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho tonga ao akaikin’ny taranak’i Amona, nefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ny taranak’i Amona satria nomeko ho lovan’ny taranak’i Lota io toerana io.
malagasy
dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.