Deuteronomy 2:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy nety namela antsika handeha hamakivaky ny taniny i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, satria NY TOMPO Andriamanitrao nampaditra ny fanahin’i Sihona sy nanamafy ny fony, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sehôna mpanjakan’i Hesebona; fa efa nohenjanin’i Iaveh Andriamanitrao ny fanahiny, ary efa nohamafisiny ny fony, mba hanolorany azy ho eo an-tananao araka ny hitanao amin’izao anio izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.
Malagasy Bible 1865
Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy nety namela antsika handeha hamakivaky ny taniny i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, satria NY TOMPO Andriamanitrao nampaditra ny fanahin’i Sihona sy nanamafy ny fony, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy