Deuteronomy 2:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy tanàna tsy azontsika; hatrany Aroera, izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada; fa izy rehetra ireo dia natolotry NY TOMPO Andriamanitsika teo anoloantsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatrany Harôera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo anatin’ny lohasaha, ka hatrany Galaada, dia tsy nisy tanàna sarotra anihina ka tsy afatsîka, fa natolotr’i Iaveh Andriamanitsika ho antsika daholo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manomboka hatreo Harôhera izay amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy ilay tanàna hafa anatin’io lohasaha io ihany, ka miafara any Gilehada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo ambany fahefàntsika ny tanàna rehetra.
Malagasy Bible 1865
Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy tanàna tsy azontsika; hatrany Aroera, izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada; fa izy rehetra ireo dia natolotry NY TOMPO Andriamanitsika teo anoloantsika.
malagasy
Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.