Deuteronomy 2:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ny tanin’ny taranak’i Amona no tsy nohakekezinareo, dia ny tany amoron’ny lohasahan-driaka Jaboka sy ny tanàna ao amin’ny tany be havoana; ary izay rehetra nandraran’NY TOMPO Andriamanitsika antsika koa dia nolalovantsika fotsiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nisy nakaikenao anefa ny tanin’ny taranak’i Amôna, ary na aiza na aiza koa teo amoron’ny ranon-driaka Jabaoka, na ny tanàna eo amin’ny tendrombohitra na ny toerana rehetra efa nandraran’i Iaveh Andriamanitsika anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny tanin’ny Hamônita kosa tsy nakekezintsika, dia ny faritra rehetra manamorona ny lohasahan-driaka Jabôka sy ireo tanàna ao amin’ny havoana, toy ny toerana rehetra nosakanan’ny TOMPO Andriamanitsika tsy hakekezintsika.
Malagasy Bible 1865
Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ny tanin’ny taranak’i Amona no tsy nohakekezinareo, dia ny tany amoron’ny lohasahan-driaka Jaboka sy ny tanàna ao amin’ny tany be havoana; ary izay rehetra nandraran’NY TOMPO Andriamanitsika antsika koa dia nolalovantsika fotsiny.
malagasy