Deuteronomy 2:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’izay rehetra nataon’ny tananao; fantany ny nandehananao namakivaky ity tany efitra lehibe ity; izay efapolo taona izay NY TOMPO Andriamanitrao no teo aminao ka tsy nisy zava-mahory anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, Izaho TOMPO Andriamanitrareo efa nitahy anareo tamin’izay rehetra nataonareo. Fantatro ny nandehananareo namaky ity taniefitra midadasika ity; satria efapolo taona izay no momba anareo Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy nanan-java-mahory ianareo.»
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay rehetra nataon'ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’izay rehetra nataon’ny tananao; fantany ny nandehananao namakivaky ity tany efitra lehibe ity; izay efapolo taona izay NY TOMPO Andriamanitrao no teo aminao ka tsy nisy zava-mahory anao.
malagasy