Deuteronomy 2:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nolalovantsika ny taranak’i Esao rahalahintsika izay monina any Seìra ka niala tamin’ny lalana any amin’ny Araba sy tao Elata ary Eziona-Gebera isika dia nivily avy eo ka nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Moaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nandalo lavidavitra ny rahalahintsika zanak’i Esao izay monina any Seira isika, lavidavitra ny lalana amin’i Arabaha sy i Elata ary i Asiôngabera; nivily isika dia nihazo ny lalana mankany amin’ny efitr’i Moaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nialantsika ny taranak’i Hesao havantsika mponina any Sehîra; nandalovantsika ny lalana amin’ny lohasaha Harabà, izany hoe ny lalana miakatra avy any Elata sy Hetsiôny-Gebera; ary nivily nihazo ny lalana mankany amin’ny taniefitr’i Môaba isika.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Moaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nolalovantsika ny taranak’i Esao rahalahintsika izay monina any Seìra ka niala tamin’ny lalana any amin’ny Araba sy tao Elata ary Eziona-Gebera isika dia nivily avy eo ka nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Moaba.
malagasy