Deuteronomy 20:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy fitondra miady ary olona maro noho ianao dia aza matahotra azy; fa NY TOMPO Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, no momba anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ianao, ka mahita soavaly aman-kalesy sy vahoaka maro noho ianao, dia aza matahotra azy fa momba anao i Iaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.
Malagasy Bible 1865
Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy fitondra miady ary olona maro noho ianao dia aza matahotra azy; fa NY TOMPO Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, no momba anao.
malagasy
[Ny amin'ny miaramila sy ny tafika] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao.