Deuteronomy 20:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izany dia mba tsy hampianarany anareo ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin’ireo andriamaniny ka tsy hanotanareo amin’NY TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba tsy hampianarany anareo hanaraka ny fahavetavetana rehetra ataony amin’ny andriamaniny, ka tsy hanota amin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba tsy hampianarany anareo hanao ny zavatra mahatsiravina rehetra fanaony amin’ny andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin’ilay TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izany dia mba tsy hampianarany anareo ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin’ireo andriamaniny ka tsy hanotanareo amin’NY TOMPO Andriamanitrareo.
malagasy
mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo.