Deuteronomy 20:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha maharitra ela ny fanaovanao fahirano ny tanàna izay tafihinao mba halaina dia aza kapaina ho simban’ny famaky ny hazo maniry eo aminy; fa hisy hohaninao amin’ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha no hataonao fahirano?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ela no anaovanao fahirano ny tanàna iray sy hiadianao aminy hakana azy dia aza levonina kapaina amin’ny famaky ny hazo, fa hohaninao ny voan’ireny ka aza alavo; sady olona koa ve ny hazo any an-tsaha, ka dia hataonao fahirano?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ela no hanaovanareo fahirano ny tanàna izay tafihinareo halaina, dia aza simbana kapaina amin’ny famaky ny hazo fihinam-boa eny manodidina, fa hisy voany hohaninareo; koa aza kapaina, fa tsy olona natao hiadiana tsy akory ny hazo fihinam-boa any an-tsaha.
Malagasy Bible 1865
Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin'ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha maharitra ela ny fanaovanao fahirano ny tanàna izay tafihinao mba halaina dia aza kapaina ho simban’ny famaky ny hazo maniry eo aminy; fa hisy hohaninao amin’ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha no hataonao fahirano?
malagasy
Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin'ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.