Deuteronomy 20:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mbola hiteny amin’ny olona ihany ny mpifehy azy hoe: Iza no olona izay matahotra sy osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ny rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola hiteny amin’ny vahoaka ny manamboninahitra ka hilaza aminy hoe: Iza no matahotra ary iza no rera-po? Aoka izy hiala ka hody any aminy, mba tsy ho ketraka toy ny azy koa, ny fon’ny rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mbola hiteny amin’ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: «Iza aminareo no matahotra ka rera-po? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao ho rera-po tahaka azy koa ny namany.»
Malagasy Bible 1865
Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mbola hiteny amin’ny olona ihany ny mpifehy azy hoe: Iza no olona izay matahotra sy osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ny rahalahiny.
malagasy