Deuteronomy 21:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha toa ka misy maty novonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy maty vonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao hanananao azy, ka tsy fantatra izay namono azy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia mety hisy maty novonoin’olona hita miampatra any an-tsaha saingy tsy fantatra izay namely nahafaty azy.
Malagasy Bible 1865
Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha toa ka misy maty novonoin’olona hita miampatra any an-tsaha amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
malagasy
[Ny amin'ny fanesoran-keloka, raha misy faty hita, nefa tsy fantatra izay nahafaty azy] Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,