Deuteronomy 21:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy tianao intsony Ravehivavy dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy fa aza mivarotra azy hatakalo vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha avy izay tsy hankasitrahanao azy intsony, dia avelao izy handeha amin’izay tiany, fa tsy ho azonao amidy vola, tsy hoentina toy ny andevo, satria efa novinadinao izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha avy izay tsy itiavany an-dravehivavy intsony dia halefany handeha araka izay sitrapony izy; fa tsy azony amidy hatao vola aman-karena izy na andevoziny, satria efa novinadiny.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy tianao intsony Ravehivavy dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy fa aza mivarotra azy hatakalo vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
malagasy
Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.