Deuteronomy 21:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy lehilahy mampirafy ka tiany ny iray fa tsy tiany kosa ny iray, ary samy miteraka aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak’ilay tsy tiany no lahimatoa;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak’ity halany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mety hisy lehilahy mampirafy roa, ka ny iray tiany bebe kokoa ary ny iray tiany kelikely kokoa. Samy niteraka zazalahy aminy izy roa vavy; ary ny zanak’ilay vehivavy tiany kelikely kokoa no lahimatoa.
Malagasy Bible 1865
Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy lehilahy mampirafy ka tiany ny iray fa tsy tiany kosa ny iray, ary samy miteraka aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak’ilay tsy tiany no lahimatoa;
malagasy
[Ny amin'ny lovan'ny lahimatoa] Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa: