Deuteronomy 21:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay ombivavy kely dia hoentin’ny loholona amin’io tanàna io midina any amin’izay lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hitondra azy midina amin’ny sakeli-drano tsy ritra amin’ny fitoerana tsy mbola voavoly na voafafy, ary ao no hamolahany ny hatoky ny vantotr’ombivavy ao amin’ny sakeli-drano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka ireo ihany no hitondra azy midina amina-lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy ritra; ary ao anatin’io renirano io no hamolahan’ireto loholona ny vozon’ilay vantotr’ombivavy.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay ombivavy kely dia hoentin’ny loholona amin’io tanàna io midina any amin’izay lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
malagasy
Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.