Deuteronomy 21:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanatona ireo mpisorona, taranak’i Levy, fa izy no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anaran’NY TOMPO; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny fifamonoana rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, fa ireo no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitrao; ary araka ny tenin’izy ireo no hitsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hanatona eo ny mpisorona taranak’i Levỳ, satria izy no voafidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hanompo AZY sy hitsodrano amin’ny anarany; koa araka ny tenin’ny mpisorona no handaminana ny ady sy vonoana isan-karazany.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anaran'i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanatona ireo mpisorona, taranak’i Levy, fa izy no nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana Aminy sy hitsodrano amin’ny anaran’NY TOMPO; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny fifamonoana rehetra.
malagasy