Deuteronomy 21:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, mamelà ny heloky ny Israely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Israely olonao ny ran’ny tsy manan-tsiny! Dia ho afa-keloka amin’izany ra izany izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh ô, avelao ny helok’i Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan’i Israely vahoakanao ny ra tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin’izy ireo izany ra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, afaho andraikitra amin’izany ilay Israely vahoaka navotanao, ary aoka ny famonoana olona tsy manan-tsiny mba tsy havelanao hanjaka eo anivony.» Dia ho afaka andraikitra amin’izany famonoana olona izany ireo.
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, mamelà ny heloky ny Israely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Israely olonao ny ran’ny tsy manan-tsiny! Dia ho afa-keloka amin’izany ra izany izy ireo.
malagasy
Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.