Deuteronomy 22:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ny rahalahinao dia aza jerem-potsiny izany, fa tsy maintsy averinao any amin’ny rahalahinao mihitsy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha mahita omby na ondry mania an’ny rahalahinao ianao, dia aza ihodiviranao, fa avereno any amin’ny rahalahinao izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha hitanareo mania ny omby na osy na ondrin’ny mpiray firenena aminareo, dia tsy hialanareo fotsiny izany fa hoentinareo miverin-doha any amin’ny tompony mihitsy.
Malagasy Bible 1865
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin'ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin'ny rahalahinao mihitsy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ny rahalahinao dia aza jerem-potsiny izany, fa tsy maintsy averinao any amin’ny rahalahinao mihitsy izy ireo.
malagasy
[Didy samy hafa ny amin'ny fitiavana ny namana, sy ny tsi-fampifamadihana ny fomban-javatra] Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin'ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin'ny rahalahinao mihitsy izany.