Deuteronomy 22:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary indro efa noharatsìny ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao vavy ho virijiny; kanefa indreto ny famantarana ny zanako vavy ho virijiny. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ny loholona amin’ny tanàna izy mivady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
endrikendrehiny amin’izay mahafa-baraka azy, lazainy hoe: Hitako fa tsy virjiny ny zanakao. Nefa indreto ny famantarana fa virjiny ny zanako vavy. Sady velariny eo anatrehan’ny loholon’ny tanàna amin’izay ny fitafiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka noharatsîny tamiko hoe tsy nahitany ny famantarana maha virijiny azy. Nefa indreto ny famantarana maha virijiny ny zanako vavy.» Dia hovelarin’ny ray aman-drenin-drazazavavy eo anatrehan’ny loholon’ny tanàna ilay lamba nandriany tamin’ny alin’ny fampakarana azy.
Malagasy Bible 1865
ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny loholona amin'ny tanàna izy mivady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary indro efa noharatsìny ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao vavy ho virijiny; kanefa indreto ny famantarana ny zanako vavy ho virijiny. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ny loholona amin’ny tanàna izy mivady.
malagasy