Deuteronomy 22:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hosaziny sekela volafotsy zato koa izy, homena ny rain-dRazazavavy, satria nahafa-baraka ny virijiny iray tamin’ny Israely Ralehilahy; nefa ho vadiny ihany Razazavavy ka tsy azony isaorana amin’ny andro rehetra iainany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampandoavina azy, volafotsy zato sikla izy. Ary homeny ny rain-drazazavavy izany, noho izy nanala baraka ny iray amin’ny virjinin’i Israely, sady hitoetra ho vadiny ravehivavy ka tsy azony isaorana raha velona koa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hosazîna sekela volafotsy zato koa ralehilahy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baràka tovovavy israelita anankiray izy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony ariana amin’ny andro rehetra hiainany.
Malagasy Bible 1865
Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hosaziny sekela volafotsy zato koa izy, homena ny rain-dRazazavavy, satria nahafa-baraka ny virijiny iray tamin’ny Israely Ralehilahy; nefa ho vadiny ihany Razazavavy ka tsy azony isaorana amin’ny andro rehetra iainany.
malagasy