Deuteronomy 22:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha tsy akaiky anao na tsy fantatrao ny rahalahinao dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra ao aminao mandra-pitadin’ny rahalahinao azy ka hamerenanao azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy akaikinao anefa ny itoeran’ny rahalahinao, ka tsy fantatrao izy, dia raiso ao aminao ilay biby, ka ho ao aminao izy mandra-pahatongan’ny rahalahinao mitady azy, ary amin’izay dia haverinao aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy akaiky anareo ilay tompony na tsy fantatrareo, dia hoentinareo mody eny aminareo ny biby nania ary hitoetra eo aminareo mandra-pitadin’ny tompony azy; ka amin’izay vao haverinareo aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha tsy akaiky anao na tsy fantatrao ny rahalahinao dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra ao aminao mandra-pitadin’ny rahalahinao azy ka hamerenanao azy.
malagasy
Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.