Deuteronomy 22:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia havoakany ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranon’ny rainy Razazavavy ka hotorahan’ny mponina ao amin’ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ny Israely izy ka nijangajanga tao an-tranon’ny rainy; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy amin’izay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoenti-mivoaka ho eo am-baravaran-drainy razazavavy, ka hitora-bato azy mandra-pahafatiny ny mponina ao an-tanànany, satria zava-betaveta loatra no efa nataony teo amin’i Israely, tamin’ny nijangajangany tao an-tranon-drainy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hoentina hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranon-drainy razazavavy ka hitora-bato azy ho faty ny mponina ao an-tanànany; zava-pady tokoa teo amin’i Israely manko no nataony, raha nijangajanga fony izy mbola tao an-tranon-drainy. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.
Malagasy Bible 1865
dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia havoakany ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranon’ny rainy Razazavavy ka hotorahan’ny mponina ao amin’ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ny Israely izy ka nijangajanga tao an-tranon’ny rainy; dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy amin’izay.
malagasy