Deuteronomy 22:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy satria efa nosavihiny sady nandriany ka tsy azony isaorana izy amin’ny andro rehetra hiainany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hanome volafotsy dimampolo sikla an-drain-drazazavavy ity lehilahy nandry taminy, ary ho vadiny razazavavy, satria efa nanala baraka azy izy, ka tsy azony isaorana raha mbola velona koa izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-drazazavavy io lehilahy io; ary satria efa nanaovany an-keriny ilay tovovavy, dia hovadiny izy ary tsy ho azony ariana amin’ny andro rehetra hiainany.
Malagasy Bible 1865
dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hanome sekela volafotsy dimampolo ho an’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy satria efa nosavihiny sady nandriany ka tsy azony isaorana izy amin’ny andro rehetra hiainany.
malagasy