Deuteronomy 22:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hitanao potraka any an-dalana ny borikin’ny rahalahinao, na ny ombiny, dia aza jerem-potsiny; fa ampio ny rahalahinao hanarina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha hitanao lavo eny an-dalana ny ampondra na ombin’ny rahalahinao, dia aza ihodiviranao, fa tsy maintsy manampy azy mihitsy ianao hanarina ny lavo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha hitanareo potraka eny an-dalana ny boriky na ombin’ny mpiray firenena aminareo, dia tsy hialanareo fotsiny izany fa hampianareo hanarina azy ny tompony.
Malagasy Bible 1865
Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hitanao potraka any an-dalana ny borikin’ny rahalahinao, na ny ombiny, dia aza jerem-potsiny; fa ampio ny rahalahinao hanarina azy.
malagasy
Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.