Deuteronomy 22:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ny efa foy na mbola atodiny, ary ny reniny dia manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny miaraka amin’ny zanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha mahita akanim-borona ianao, eny an-dalana na eny ambony hazo, na etỳ amin’ny tany, na efa zanany na mbola atodiny, ka kotrehin-dreniny ao, na ny zanany na ny atodiny, dia aza alaina mban-dreniny ny zanany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanareo eny an-dalana ianareo, na ambony hazo na amy tany, ka misy vorona efa foy ombàn-dreniny na atody mbola kotrehiny, dia aoka ny zanany tsy halainareo miaraka amin’ny reniny.
Malagasy Bible 1865
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ny efa foy na mbola atodiny, ary ny reniny dia manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny miaraka amin’ny zanany.
malagasy